Mark 4

1Ary nanomboka nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray Izy, ary nisy vahoaka be niangona nanodidina Azy. Niditra tao an-tsambokely izay teo an-dranomasina Izy, ary nipetraka tao amin’izany. Ny vahoaka rehetra kosa dia nijanona teo amoron’ny ranomasina. 2Nampianatra azy ireo zavatra maro tamin’ny alalan’ny fanoharana Izy, ary tao amin’ny fampianarany, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo.

3“Henoy, nisy mpamafy handeha hamafy voa. 4Ary raha namafy izy, dia nisy voa sasany niraraka tamin’ny lalana, ka avy ireo vorona ary nihinana izany. 5Ny voa sasany niraraka tamin’ny tany feno vatovato, izay tsy nisy tany firy. Tonga dia nitsimoka avy hatrany izy ireny, satria tsy lalina ny tany nisy azy.

6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ireo, ary satria tsy nisy fakany izy ireo, dia maina. 7Ny voa hafa niraraka tamin’ny tany feno tsilo. Ary nitsimoka niha-lehibe ireo tsilo ireo dia nangeja azy, ka tsy namoa voa.

8Ny voa hafa niraraka tamin’ny tany tsara ka namokatra voa teo am-pitomboana ary nihamaro, ary ny sasany nitombo avo telopolo heny, ny sasany enimpolo, ary ny sasany zato.” 9Avy eo dia hoy Izy hoe: “Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!”

10Rehefa irery Jesosy, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ireo izay akaiky Azy sy ireo mpianany roambinifolo. 11Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Ho anareo no nanomezana ny zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fa ho an’ireo izay any ivelany dia fanoharana avokoa, 12mba amin’ny fotoana hijeren’izy ireo, eny hijery izy ireo, nefa tsy hahita, ary mba amin’ny fotoana hihainoan’izy ireo, eny handre izy ireo, nefa tsy hahafantatra izany, na koa hiodina izy ireo dia hamindra fo amin’izy ireo Andriamanitra.”

13Ary hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Ahoana izany no hahazoanareo ireo fanoharana hafa rehetra? 14Ilay mpamboly izay mamafy ny voa dia ilay iray izay mamafy ny teny. 15Ireto no ilay niraraka teny an-dalana, izay namafazana ny teny, fa rehefa ren’izy ireo izany, dia tonga avy hatrany Satana ary hangalatra ny teny izay voafafy tamin’izy ireo.

16Ireto no ilay voafafy tamin’ny tany feno vatovato, izay, rehefa nandre ny teny, dia nandray izany avy hatrany tamim-pifaliana. 17Tsy misy fakany ao amin’izy izy ireo, fa maharitra fotoana fohy fotsiny. Dia tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon’ny teny, ka avy hatrany dia lavo izy ireo.

18Ireo hafa no ilay voafafy tamin’ny tany feno tsilo. Ren’izy ireo ny teny, 19fa ny fanahian’izao tontolo izao, ny famitahan’ny harena, sy ny filàna ny zavatra hafa dia tafiditra ka mangeja ny teny, ka tsy mamoa vokatra izany. 20Ary ireo izay voafafy teny amin’ny tany tsara dia ireo izay mandre ny teny ary mandray izany, ka namoa vokatra izy ireo_ telopolo, enimpolo, na avo zato henin’izay nafafy.”

21Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Moa entinao ao ao an-trano va ny jiro mba ho atao ao ambany sobika, na ambanin’ny farafara? Entinao miditra izany dia hataonao ambonin’ny fitoeran-jiro. 22Fa tsy misy zava-miafina izay tsy ho fantatra, ary tsy misy tsiambaratelo izay tsy hivoaka. 23Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!”

24Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Mitandrema amin’ny teny izay renareo, fa arakaraky ny ohatra anoharanareo ihany, no anoharana anareo, ary ho ampiana aminareo izany. 25Satria na iza na iza manana, dia homena betsaka kokoa izy, ary na iza na iza tsy manana, na izay ananany aza hesorina aminy.”

26Ary hoy ihany koa Izy hoe: “Ny fanjakan’ Andriamanitra dia tahaka ny olona iray mamafy ny voany amin’ny tany. 27Matory izy amin’ny alina ary mifoha amin’ny maraina, ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, fa tsy fantany hoe ahoana. 28Ny tany dia mamoa amin’ny tenany ihany: voalohany ny rantsany, avy eo ny tahony, avy eo ny voa matoy eo amin’ny tahony. 29Ary rehefa matoy ny voa dia avy hatrany izy dia handefa fijinjana, fa efa tonga ny fotoam-pijinjana.”

30Ary hoy indray Izy hoe: “Inona no azontsika ampitahana ny fanjakan’Andriamanitra, na inona no fanoharana hampiasaintsika hanazavana izany? 31Izany dia tahaka ny voatsinampy izay, rehefa hafafy, dia izy no voa kely indrindra amin’ny voa rehetra eto ambonin’ny tany. 32Nefa, rehefa voafafy izany, dia mitsimoka ary lasa lehibe noho ny hazo rehetra, ary mamoa rantsana vaventy, ka azon’ny voromanidina hanaovana ny tranony eo amin’ny alokalony.”

33Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny tamin’izy ireo, araka izay fahazoan’izy ireo azy, 34ary tsy niteny tamin’izy ireo afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy. Saingy rehefa irery Izy, dia nohazavainy tamin’ireo mpianany manokana ny zavatra rehetra.

35Tamin’izany andro izany, rehefa tonga ny hariva, dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Andeha isika hita ery am-pita.” 36Ka niala teo amin’ireo vahoaka izy ireo, nitondra an’i Jesosy niaraka tamin’ izy ireo, raha iny Izy, tao anaty sambokely iny. Nisy sambokely hafa nandeha niaraka taminy. 37Avy eo nanomboka nisy tafio-drivotra be ary ny onjan-drano nanafotra ny sambokely ka efa saika feno rano ny sambokely.

38Ary Jesosy irery natory teo ambodin’ny sambokely, tambonin’ny ondana. Nofohazin’izy ireo Izy, nanao hoe: “Mpampianatra o, tsy mampaninona Anao ve raha ho faty eto isika?” 39Ary nifoha Izy, dia niteny mafy tamin’ny rivotra, ary niteny tamin’ny ranomasina hoe: “Mitsahara! mitonia!” Ary nitsahatra ny rivotra, ka nisy fitoniana be.

40Ary hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no matahotra? Mbola tsy manam-pinoana foana va ianareo?” Feno tahotra izy ireo ka nifampiteny hoe: “Iza moa ity, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?”

41

Copyright information for PltULB